Ny Salamo

Salamo toko 6
Ny fanahy mibebaka, mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny zava-maneno tendrena. Amin'ny Oktavy. Salamon'i Davida.
       2 Iaveh ô, aza sazinao amin'ny fahatezeranao aho,
ary aza faizinao amin'ny fisafoahanao.
       3 Mamindra fo, ry Iaveh, fa reraka aho;
sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.
       4 Mitebiteby loatra ny fanahiko,
fa hianao Iaveh mandra-pahoviana?...
       5 Miverena, ry Iaveh, afaho ny fanahiko,
vonjeo aho, noho ny famindram-ponao.
       6 Fa ny efa maty tsy mahatsiaro anao intsony,
any amin'ny Seoly zovy no hidera anao?
       7 Trotraka aho, azon'ny misento,
ampo-dranomaso isan'alina ny fandriako;
vonton'ny ranomasoko ny farafarako.
       8 Lanin'alahelo ny masoko;
efa mason'antitra noho ny ataon'ny mpanenjika ahy rehetra izy.
       9 Mialà amiko hianareo mpanao ratsy rehetra,
fa efa ren'Iaveh ny feon'ny fitomaniako.
       10 Efa nohenoin'Iaveh ny fifonako,
efa raisin'Iaveh ny fivavahako.
       11 Hangaihay sy ho raiki-tahotra ny fahavaloko rehetra;
hihemotra izy, fa safo-kenatra tampoka.