Ny Salamo

Toko faha-6

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny zava-maneno tendrena. Amin'ny Oktavy. Salamon'i Davida.

2 Iaveh ô, aza sazinao amin'ny fahatezeranao aho, ary aza faizinao amin'ny fisafoahanao.

3 Mamindra fo, ry Iaveh, fa reraka aho; sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.

4 Mitebiteby loatra ny fanahiko, fa hianao Iaveh mandra-pahoviana?...

5 Miverena, ry Iaveh, afaho ny fanahiko, vonjeo aho, noho ny famindram-ponao.

6 Fa ny efa maty tsy mahatsiaro anao intsony, any amin'ny Seoly zovy no hidera anao?

7 Trotraka aho, azon'ny misento, ampo-dranomaso isan'alina ny fandriako; vonton'ny ranomasoko ny farafarako.

8 Lanin'alahelo ny masoko; efa mason'antitra noho ny ataon'ny mpanenjika ahy rehetra izy.

9 Mialà amiko hianareo mpanao ratsy rehetra, fa efa ren'ny Tompo ny feon'ny fitomaniako.

10 Efa nohenoin'ny Tompo ny fifonako, efa raisin'ny Tompo ny fivavahako.

11 Hangaihay sy ho raiki-tahotra ny fahavaloko rehetra; hihemotra izy, fa safo-kenatra tampoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1412