Ny Salamo

Toko faha-60

3 Ry Andriamanitra ô, nanary anay hianao, nampihahaka anay, efa tezitra hianao: ataovy mahita fitia aminao indray izahay.

4 Efa nampihorohoro ny tany hianao, nandrotika azy, dia amboary ny banga aminy fa mihozongozona izy.

5 Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao, nampisotroinao divay mahafanina izahay.

12 Tsy hianao izay efa nanary ahy va, ry Andriamanitra, hianao, ry Andriamanitra izay efa tsy niara-nivoaka tamin'ny tafikay intsony.

13 Vonjeo amin'ny mpampahory anay izahay! Fa zava-poana ny famonjena avy amin'ny olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0471