Ny Salamo

Toko faha-61

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahana amin'ny zava-maneno tendrena. Nataon'i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.

3 Mitaraina aminao aho atý am-paran'ny tany, ao anatin'ny fahorian'ny foko; ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho

4 Fa fialofako hianao, tilikambo mafy misakana ny fahavalo.

5 Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao, mialoka ao ambanin'ny elatrao. - Selà.

6 Fa manaiky ny faniriako hianao, ry Andriamanitra: efa nomenao ahy ny lovan'ireo manaja ny anaranao.

7 Ampitomboy andro ny andron'ny mpanjaka, hihalava hatrany hatrany anie ny taonany!

8 Hitoetra eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan'Andriamanitra. Didio hiaro azy ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!

9 Dia hankalaza ny anaranao mandrakizay aho, ary hanefa ny voadiko isan'andro aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3104