Ny Salamo
Salamo toko 61
Fivavahan'ny mpanjaka voasesi-tany.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahana amin'ny zava-maneno tendrena. Nataon'i Davida.
2 Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako,
mihainoa tsara ny fivavahako.
3 Mitaraina aminao aho atý am-paran'ny tany,
ao anatin'ny fahorian'ny foko;
ento any ambony vatolampy tsy azoko takarina aho
4 Fa fialofako hianao,
tilikambo mafy misakana ny fahavalo.
5 Satriko ny monina mandrakizay ao an-dainao,
mialoka ao ambanin'ny elatrao. - Selà.
6 Fa manaiky ny faniriako hianao, ry Andriamanitra:
efa nomenao ahy ny lovan'ireo manaja ny anaranao.
7 Ampitomboy andro ny andron'ny mpanjaka,
hihalava hatrany hatrany anie ny taonany!
8 Hitoetra eo amin'ny seza fiandrianana mandrakizay anie izy eo anatrehan'Andriamanitra.
Didio hiaro azy ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao!
9 Dia hankalaza ny anaranao mandrakizay aho,
ary hanefa ny voadiko isan'andro aho.