Ny Salamo

Toko faha-64

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.

2 Andriamanitra ô, henoy ny feoko, raha mampandre ny fitaranaiko aho, arovy amin'ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.

3 Fefeo aho, tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy, tsy ho azon'ny andrian'olon-dratsy efa misafoaka,

4 izay manasa ny lelany toy ny sabatra, izay manamboatra ny zana-tsipìkany - izay teny mangidy -

5 handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny; alefany hamelezany azy tampoka, tsy aman-tahotra akory.

6 Mihombo mafy amin'ny hevi-dratsiny izy; mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy; ka manao hoe: Iza moa no hahita izany?

7 Tsy misaina afa-tsy heloka be vava izy: Vonona isika, hoy izy, vita tsara ny tatik'ady. Lalina ny ao anatin'ny olombelonoa sy ny fony!

8 Kanjo kosa nolefasan'Andriamanitra ny zana-tsipìkany izy ireo, ka indreo izy maratra tampoka.

9 Azera amin'ny tany izy; voatsingidin'ny vava nalefany izy. Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.

10 Raiki-tahotra avokoa ny olona, ka manely laza ny nataon'Andriamanitra, fa fantany izay efa nataony.

11 Dia mifaly amin'ny Tompo sy mitoky aminy marina; mirehareha avokoa ny mahitsy fo rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0458