Ny Salamo

Salamo toko 64
Vavaka amim-pitokiana raha tratry ny fanendrikendrehana.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.
       2 Andriamanitra ô, henoy ny feoko, raha mampandre ny fitaranaiko aho,
arovy amin'ny fahavalo mampitahotra ahy ny aiko.
       3 Fefeo aho, tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny mpanao ratsy,
tsy ho azon'ny andrian'olon-dratsy efa misafoaka,
       4 izay manasa ny lelany toy ny sabatra,
izay manamboatra ny zana-tsipìkany - izay teny mangidy -
       5 handefasany azy an-katakonana hitifitra ny tsy manan-tsiny;
alefany hamelezany azy tampoka, tsy aman-tahotra akory.
       6 Mihombo mafy amin'ny hevi-dratsiny izy;
mifanolo-tsaina hamela-pandrika izy;
ka manao hoe: Iza moa no hahita izany?
       7 Tsy misaina afa-tsy heloka be vava izy:
Vonona isika, hoy izy, vita tsara ny tatik'ady.
Lalina ny ao anatin'ny olombelonoa sy ny fony!
       8 Kanjo kosa nolefasan'Andriamanitra ny zana-tsipìkany izy ireo,
ka indreo izy maratra tampoka.
       9 Azera amin'ny tany izy; voatsingidin'ny vava nalefany izy.
Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.
       10 Raiki-tahotra avokoa ny olona,
ka manely laza ny nataon'Andriamanitra,
fa fantany izay efa nataony.
       11 Dia mifaly amin'Iaveh sy mitoky aminy marina;
mirehareha avokoa ny mahitsy fo rehetra.