Ny Salamo

Toko faha-65

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida. Fihirana.

2 Hianao no mendrika hoderaina, ry Andriamanitra, any Siona, ho an'ny voninahitrao no anefan'ny olona voady.

3 Hianao, izay mihaino ny fivavahana, dia mankaminao ny olona rehetra.

4 Tsindrian-keloka miavosa aho ity; hianao no mamela ny hadisoanay.

5 Sambatra ny olona fidinao sy raisinao ho akaikinao, mba honina ao an-kianjanao! Enga anie izahay ka hivoky ny zava-tsoa ao an-tranonao, dia ao an-tempolinao masina.

6 Zava-mahagaga no anekenao ny fangatahanay noho ny fahamarinanao, ry Andriamanitry ny famonjena anay, tokin'ny vazan-tany efatra, sy ny ranomasina lavitra any.

7 - Izy no mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny; misikina ny fahefany,

8 mampitony ny fisafoaky ny ranomasina, ny fitroatran'ny onjany, ary ny fikorontanan'ny vahoaka. -

9 Ankona amin'ny zava-mahagaga ataonao ny mponina any an-tany lavitra; ampiravoanao ny fara sisiny, dia ny atsinanana sy ny andrefana.

10 Manampy ny tany hianao, mba hahazìna azy, fenoinao harena izy. Feno rano ny loharanon'Andriamanitra, raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao.

11 Manondraka ny tany voasa, mandravona ny baingany, manalemy azy amin'ny tandrifin-drahona, mitahy ny fitsimohany.

12 Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra; mitsororoka ny menaka amin'ny dianao.

13 Vonton-drano ny tanim-bilona any an'efitra; miravaka hafaliana ny havoana.

14 Rakotra biby fiompy ny tanim-bilona, miravaka salohim-bary ny lohasaha, mifaly sy mihira ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0465