Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 65, 10,11,12-13,

       <10Manampy ny tany hianao, mba hahaz├Čna azy,
fenoinao harena izy.
Feno rano ny loharanon'Andriamanitra,
raha lonahinao toy izany ny tany, dia vary no omaninao.
       11Manondraka ny tany voasa, mandravona ny baingany,
manalemy azy amin'ny tandrifin-drahona,
mitahy ny fitsimohany.
       12Ny taona dia ataonao feno ny fanasoavanao tafahoatra;
mitsororoka ny menaka amin'ny dianao.
       13Vonton-drano ny tanim-bilona any an'efitra;
miravaka hafaliana ny havoana. >