Ny Salamo
Toko faha-66
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana. Salamo.2 Manaova hobin-kafaliana mankamin'Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana azy.
3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: Endrey, mahatahotra ny asanao! Mikoy anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.
4 Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an'ny voninahitrao, hankalaza ny anaranao!
5 Avia ka banjino ny asan'Andriamanitra! Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin'ny zanak'olombelona.
6 Nampodiny ho tany maina ny ranomasina, ka nandeha an-tongotra namaky ny ony ny olona, dia nifaly taminy izahay.
7 Manjaka mandrakizay amin'ny fahefany izy; mitsinjo ny firenena ny masony; aoka tsy hanandra-tena ny mpikomy. SelĂ .
16 Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, hianareo rehetra matahotra an'Andriamanitra, izay nataony ho an'ny fanahiko.
20 Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandĂ ny fivavahako, na nanaisotra ny fahasoavany tamiko!