Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 66, 1-3a,5a,8,16-17,
Hira fisaorana, aorian'ny fandresena lehibe.

       1Ho an'ny mpampianatra hira. Fihirana. Salamo.
       2Manaova hobin-kafaliana mankamin'Andriamanitra, ry tany rehetra;
hirao ny voninahitry ny anarany,
ataovy manetriketrika ny fankalazana azy.
       3Lazao amin'Andriamanitra hoe: Endrey, mahatahotra ny asanao!
Mikoy anao ny fahavalonao, noho ny fahefanao tsitoha.
       5Avia ka banjino ny asan'Andriamanitra!
Fa mahatahotra ny hevitra kasainy amin'ny zanak'olombelona.
       8Misaora an'Andriamanitra, ry vahoaka,
ataovy manakoako ny fiderana azy.
       16Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo,
hianareo rehetra matahotra an'Andriamanitra,
izay nataony ho an'ny fanahiko.
       17Niloa-bava nitaraina taminy aho,
ary teo ambony lelako ny fiderana azy. >