Ny Salamo

Salamo toko 67
Hotahian'Andriamanitra anie ny vahoakany ho fampianarana ny firenena.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Salamo. Fihirana.
       2 Hanambina sy hitahy antsika anie Andriamanitra!
hampamirapiratra ny tavany amintsika anie izy! - Selà.
       3 mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny làlanao,
ary amin'ny firenena rehetra, ny famonjenao!
       4 Hidera anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,
hidera anao anie ny firenena rehetra!
       5 Aoka hirobiroby ny firenena sy hisomebin-kafaliana,
fa mitsara ny vahoaka amim-pahitsiana hianao
sy mitondra ny firenena ambonin'ny tany.
       6 Hidera anao anie ny firenena, ry Andriamanitra,
hidera anao anie ny firenena rehetra!
       7 Efa nahavokatra ny tany;
hotahian'Andriamanitra, dia ny Andriamanitsika, anie isika!
       8 Hotahian'Andriamanitra anie isika!
ary hanaja azy anie ny vazan-tany rehetra!