Ny Salamo

Toko faha-68

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida. Fihirana.

2 Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony, ary handositra ny tavany, ireo mankahala azy.

3 Tahaka ny fisavan'ny setroka, no andringano an'ireny; tahaka ny fiempon'ny savoka eo amin'ny afo no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.

4 Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan'Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo!

5 Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany! Misavà lalana ho an'ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no anarany, mifalia eo anatrehany!

6 Rain'ny kamboty, mpitsara ny mpitondra-tena izy, Andriamanitra eo amin'ny fonenany masina.

7 Ireo nilaozana, dia omen'Andriamanitra trano; manafaka ny voababo sy mamerina azy eo amin'ny fiadanana izy; ny mpiodina ihany no tavela eo amin'ny efitra mahamay.

8 Ry Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny vahoakanao hianao, ka nandroso teo amin'ny efitra, - Selà.

9 dia nihozongozona ny tany, nitsonika teo anatrehan'Andriamanitra hatramin'ny lanitra aza. Sinaia aza nihararetra teo anatrehan'Andriamanitra, Andriamanitr'Israely.

10 Ry Andriamanitra ô, nandrotsaka oram-pahasoavana hianao; trotraka ny lovanao, dia nomenao aina indray.

11 Nandefa biby hianao, ka nirotsaka tao izy ireo. Noho ny hatsaram-ponao dia nanomananao hanina ny ory.

12 Nampandre ny teniny ny Tompo; antokom-behivavy maro no milaza ny fandresena.

13 Mandositra, mandositra, ireo mpanjakan'ny tafika, ary mizara ny babo kosa ilay vehivavy mitoetra an-trano.

14 Raha nandry teo amin'ny valan'ondry hianareo; rakotra volafotsy ny ela-boromailala ary namirapiratra toy ny famirapiratry ny volamena ny volony.

15 Nony nahelin'ny Tsitoha ny mpanjaka ao amin'ny tany, dia latsaka tao Selmona ny oram-panala.

16 Ry tendrombohitr'Andriamanitra, ry tendrombohitr'i Basàna,

17 ry tendrombohitra avo tampona, ahoana no ijerenareo amim-pialonana? Eny, hitoetra ao mandrakizay Iaveh.

18 Ilay kalesin'Andriamanitra dia ireo an'arivony, an'arivony; Avy any Sinaia ho ao amin'ny fitoerany masina ny Tompo.

19 Miakatra amin'ny avo, mitondra ny babo betsaka hianao; mandray ny fanatitra avy amin'ny olona hianao. Ny mpiodina avy no honina eo akaikin'ny Tompo Andriamanitra.

20 Isaorana anie ny Tompo; mitondra ny entantsika isan'andro izy; Andriamanitra mamonjy antsika izy. - Selà.

21 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; Iaveh Tompo dia mahafaka amin'ny fahafatesana.

22 Eny, Andriamanitra hanorotoro ny loha'ny fahavalony, dia ny handrina be volon'izay mandeha amin'ny haratsiana.

23 Ny Tompo nilaza hoe: Hampodiko avy any Basàna ireny, hampodiko avy any ambany ranomasina ireny,

24 mba hanobohanao ny tongotrao ao anatin'ny ra, sy hananan'ireo lelan'ny alikanao anjara, amin'ny fahavalo.

25 Hitan'ny olona ny dianao, ry Andriamanitro, dia ny dian'ny Andriamanitro, ny Mpanjakako, ho ao amin'ny fitoerana masina.

26 Ny mpihira no eo aloha, ny mpitendry zava-maneno no manarakaraka. Ireo zazavavy mively ampongatapaka no eo afovoany.

27 Misaora an'Andriamanitra eo amin'ny fiangonana, Misaora ny Tompo hianareo izay avy amin'ny loharanon'Israely.

28 Indro Benjamina ilay kely indrindra, izay manapaka azy ireo; ny andriandahin'i Jodà mbamin'ny antokon'izy ireo; ny andriandahin'i Zabolona, ny andriandahin'i Neftalì.

29 Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra, hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!

30 Ao amin'ny fitoerana masina, ao an-tampon'i Jerosalema, no hanoloran'ny mpanjaka fanatitra ho anao.

31 Rahony ny biby any anaty bararata, ny andian'ombalahy aman-janak'ombin'ny vahoaka, mba hiankohoka mitondra anja-bolafotsy. Aparitaho ireo firenena tia ady!

32 Aoka ho tonga avy any Ejipta ny tremalahy, aoka hidodododo hanandra-tànana amin'Andriamanitra Etiopia.

33 Mihirà ho an'Andriamanitra hianareo, fanjakana eto an-tany, mankalazà ny Tompo hianareo! - Selà.

34 Mihirà ho an'ilay lanjaina ao ambonin'ny lanitra, ny lanitra fahagola. Indro izy, mampandre ny feony, feo mahery!

35 Maneke ny fahefan'Andriamanitra! Ny fiandrianany ao amin'Israely, ny fahefany eny amin'ny rahona.

36 Mahatahotra hianao, ry Andriamanitra, eo amin'ny fitoeranao masina! Manome hery aman-pahefana ny vahoakany, ny Andriamanitr'Israely. Isaorana anie Andriamanitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.046