Ny Salamo

Toko faha-68

2 Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony, ary handositra ny tavany, ireo mankahala azy.

4 Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan'Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo!

6 Rain'ny kamboty, mpitsara ny mpitondra-tena izy, Andriamanitra eo amin'ny fonenany masina.

7 Ireo nilaozana, dia omen'Andriamanitra trano; manafaka ny voababo sy mamerina azy eo amin'ny fiadanana izy; ny mpiodina ihany no tavela eo amin'ny efitra mahamay.

20 Isaorana anie ny Tompo; mitondra ny entantsika isan'andro izy; Andriamanitra mamonjy antsika izy. - SelĂ .

21 Andriamanitra no Andriamanitry ny famonjena ho antsika; Iaveh Tompo dia mahafaka amin'ny fahafatesana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554