Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 68, 2-3,4-5ac,6-7ab,

       <2Aoka hitsangana Andriamanitra, ka hiely ny fahavalony,
ary handositra ny tavany, ireo mankahala azy.
       3Tahaka ny fisavan'ny setroka, no andringano an'ireny;
tahaka ny fiempon'ny savoka eo amin'ny afo
no aoka hahalevona ny ratsy fanahy eo anatrehan'Andriamanitra.
       4Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan'Andriamanitra,
aoka hientan-kafaliana izy ireo!
       5Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany!
Misavà lalana ho an'ilay tamy mamaky ny tany lemaka!
Iaveh no anarany, mifalia eo anatrehany!
       6Rain'ny kamboty, mpitsara ny mpitondra-tena izy,
Andriamanitra eo amin'ny fonenany masina.
       7Ireo nilaozana, dia omen'Andriamanitra trano;
manafaka ny voababo sy mamerina azy eo amin'ny fiadanana izy;
ny mpiodina ihany no tavela eo amin'ny efitra mahamay. >