Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 68, 29-30,33-35a,35bc-36ab,

       <29Mandidia ny fahefanao, ry Andriamanitra,
hamafiso izay nataonao ho anay, ry Andriamanitra!
       30Ao amin'ny fitoerana masina, ao an-tampon'i Jerosalema,
no hanoloran'ny mpanjaka fanatitra ho anao.
       33Mihirà ho an'Andriamanitra hianareo, fanjakana eto an-tany,
mankalazà ny Tompo hianareo! - Selà.
       34Mihirà ho an'ilay lanjaina ao ambonin'ny lanitra, ny lanitra fahagola.
Indro izy, mampandre ny feony, feo mahery!
       35Maneke ny fahefan'Andriamanitra!
Ny fiandrianany ao amin'Israely,
ny fahefany eny amin'ny rahona.
       36Mahatahotra hianao, ry Andriamanitra, eo amin'ny fitoeranao masina!
Manome hery aman-pahefana ny vahoakany, ny Andriamanitr'Israely.
Isaorana anie Andriamanitra! >