Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 68, 4-5,6-7,10-11,

       <4Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan'Andriamanitra,
aoka hientan-kafaliana izy ireo!
       5Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany!
Misavà lalana ho an'ilay tamy mamaky ny tany lemaka!
Iaveh no anarany, mifalia eo anatrehany!
       6Rain'ny kamboty, mpitsara ny mpitondra-tena izy,
Andriamanitra eo amin'ny fonenany masina.
       7Ireo nilaozana, dia omen'Andriamanitra trano;
manafaka ny voababo sy mamerina azy eo amin'ny fiadanana izy;
ny mpiodina ihany no tavela eo amin'ny efitra mahamay.
       10Ry Andriamanitra ô, nandrotsaka oram-pahasoavana hianao;
trotraka ny lovanao, dia nomenao aina indray.
       11Nandefa biby hianao, ka nirotsaka tao izy ireo.
Noho ny hatsaram-ponao dia nanomananao hanina ny ory. >