Ny Salamo

Toko faha-69

8 Fa noho ny aminao no itondrako latsa, sy mahasafo-kenatra ny tavako.

9 Zary vahiny eo amin'ny rahalahiko aho, ary olon-tsy fantatra eo amin'ny zanak'ineny.

10 Fa ny zotom-po amin'ny tranonao mandritra aina ahy; ary ny fanaratsian'ireo manevateva anao, mianjera amiko.

14 Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao, ka amin'ny andro mety, ry Andriamanitra, noho ny hatsaram-ponao lehibe, ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan'ny famonjenao.

17 Valio vavaka aho, ry Iaveh, fa antra ny hatsaram-ponao, mitodiha aty amiko, amin'ny famindram-ponao lehibe,

33 Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly; ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an'Andriamanitra.

34 Fa mihaino ny mahantra Iaveh, ary tsy manamavo ny olony voababo.

35 Aoka hidera azy ny tany aman-danitra, mbamin'ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao anatiny!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0569