Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 69, 15-16,30-31,33-34,

       <15Esory amin'ny fotaka aho, ka tsy ho tafalentika ao intsony;
aoka ho afaka amin'ny fahavaloko sy amin'ny rano lalina aho.
       16Aoka ny onjan-drano tsy hanafotra ahy intsony,
ny hantsana tsy hitelina ahy;
ny fasana tsy hikatona amiko.
       30Izaho kosa dia ory sy mijaly;
hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra!
       31Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho;
hanandratra azy amin'ny fisaorana.
       33Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly;
ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an'Andriamanitra.
       34Fa mihaino ny mahantra Iaveh,
ary tsy manamavo ny olony voababo. >