Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 69, 3,14,30-31,33-34,

       <3Tafalentika amin'ny fotaka mandrevo aho,
ka tsy misy hamaharan'ny tongotro.
Tafatsoboka anaty hantsan-drano aho,
ary efa difotry ny onjan-drano.
       14Fa izaho kosa, ry Iaveh, mivavaka aminao,
ka amin'ny andro mety, ry Andriamanitra,
noho ny hatsaram-ponao lehibe,
ekeo ny fangatahako araka ny hamarinan'ny famonjenao.
       30Izaho kosa dia ory sy mijaly;
hanarina ahy anie ny famonjenao, ry Andriamanitra!
       31Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho;
hanandratra azy amin'ny fisaorana.
       33Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly;
ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an'Andriamanitra.
       34Fa mihaino ny mahantra Iaveh,
ary tsy manamavo ny olony voababo. >