Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 69, 8-10,21bcd-22,31,33-34,

       <8Fa noho ny aminao no itondrako latsa,
sy mahasafo-kenatra ny tavako.
       9Zary vahiny eo amin'ny rahalahiko aho,
ary olon-tsy fantatra eo amin'ny zanak'ineny.
       10Fa ny zotom-po amin'ny tranonao mandritra aina ahy;
ary ny fanaratsian'ireo manevateva anao, mianjera amiko.
       21Torotoron'ny latsa ny foko, ka marary aho,
miandry horaka, fa tsy nisy;
ary mpanony, fa tsy nahita iray akory.
       22Ahitra mangidy no omeny hohaniko;
vinaingitra no ampisotroiny ahy mangetaheta.
       31Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho;
hanandratra azy amin'ny fisaorana.
       33Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly;
ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an'Andriamanitra.
       34Fa mihaino ny mahantra Iaveh,
ary tsy manamavo ny olony voababo. >