Ny Salamo

Toko faha-7

1 Hira firehetan'i Davida nohirainy tamin'ny Tompo, noho ny tenin'i Kosa Benjamita.

2 Iaveh Andriamanitro ô, hianao no itokiako; vonjeo amin'izay rehetra manenjika ahy aho, ka afaho;

3 fandrao aho dia viravirainy toy ny fanaon'ny liona, fandrao harapany ny rembiny, tsy misy hanafaka.

4 Iaveh Andriamanitra oô raha nanao izany aho, raha misy heloka eto an-tànako,

5 raha mamaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho; raha nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana aho,

6 dia aoka hanenjika ahy ny fahavaloko, ka hahatratra ahy; aoka hohitsahiny amin'ny tany ny aiko; aoka hoseny amin'ny vovoka ny voninahitro;

7 Iaveh ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; mirohota hamely ny fisamontotry ny fahavaloko; mifohaza hamonjy ahy, fa hianao no mamoaka fitsarana marina.

8 Aoka hanodidina anao ny fivorian'ny firenena! dia misandrata eo amboniny hianao amin'izay, ka miakara indray any amin'ny avo.

9 Iaveh no mitsara ny firenena: tsarao aho, ry Iaveh, araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.

10 Farano ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, ary hamafiso kosa ny marina, hianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô!

11 Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, izay mamonjy ny olona mahitsy fo.

12 Mpitsara marina Andriamanitra; mampandre ny fandrahonany isan'andro ny Tsitoha.

13 Tokoa fa manasa ny sabany indray izy, manenjana ny tsipìkany, dia mikendry.

14 Alefany amin'ireo ny longiny mahafaty, ataony mahamay ny zana-tsipìkany.

15 Indro ny ratsy fanahy mihetsi-jaza hiteraka faharatsiana, fampahoriana no torontoronina ao aminy, ary lainga no aterany.

16 Mandoaka lavaka izy, mihady azy ary izy no latsaka amin'ny hantsana nomaniny.

17 Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany, ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.

18 Hidera an'ny Tompo noho ny fahamarinany aho, sy hihira ny anaran'ny Tompo, ilay Avo indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1132