Ny Salamo

Toko faha-70

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana.

2 Ry Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy! Tompo, faingàna hamonjy ahy!

3 Aoka ho menatra sy hangaihay, izay mitady ny aiko! Aoka hihemotra sy ho menatra, izay maniry hahavery ahy!

4 Aoka hianotra azon'ny henatra, izay manao hoe: Hià! Hià!

5 Aoka hifaly sy hiravoravo aminao kosa, ireo mitady anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'Andriamanitra! izay tia ny famonjenao.

6 Ary izaho ity, malahelo sy mahantra, ka faingàna hankaty amiko, ry Andriamanitra!Fa hianao no mpamonjy sy mpanafaka ahy. Aza ela, ry Iaveh!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0946