Ny Salamo

Salamo toko 70
Vavaka fangatahana vonjy amin'Andriamanitra raha tra-pahoriana.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana.
       2 Ry Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy!
Tompo, faingàna hamonjy ahy!
       3 Aoka ho menatra sy hangaihay,
izay mitady ny aiko!
Aoka hihemotra sy ho menatra,
izay maniry hahavery ahy!
       4 Aoka hianotra azon'ny henatra,
izay manao hoe: Hià! Hià!
       5 Aoka hifaly sy hiravoravo aminao kosa,
ireo mitady anao!
Aoka hilaza mandrakariva hoe: Voninahitra anie ho an'Andriamanitra!
izay tia ny famonjenao.
       6 Ary izaho ity, malahelo sy mahantra,
ka faingàna hankatý amiko, ry Andriamanitra!
Fa hianao no mpamonjy sy mpanafaka ahy.
Aza ela, ry Iaveh!