Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 71, 1-2,3-4a,5-6ab,15,17,
Vavaka raha misy mpanenjika.

       1Hianao ry Iaveh, no nataoko fialofako,
aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho!
       2Vonjeo amin'ny fahamarinanao aho, ka afaho!
Atongilàno amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!
       3Aoka hianao ho vatolampy tsy azo hanihina, ho ahy,
izay ho azoko handosirana mandrakariva.
Efa nandidy ny hamonjy ahy hianao,
fa hianao no vatolampiko sy trano mimandako.
       4Ry Andriamanitro ô, afaho aho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy,
amin'ny tànan'ny olon-tsy marina sy masiaka.
       5Fa hianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh,
hianao no ipetrahan'ny fitokiako hatramin'ny fahatanorako!
       6Hianao no iankinako hatramin'ny aho fony vao teraka;
hianao izay mamoaka ahy avy any ambohoka;
ka anao ny fiderako mandrakizay!
       15Ny vavako hitory ny fahamarinanao,
mbamin'ny fanambinanao tontolo andro;
fa tsy hitako izay isan'izany.
       17Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho,
ary mitory ny fahagaganao, mandrak'ankehitriny! >