Ny Salamo

Toko faha-72

2 Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny, sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!

14 Hesoriny amin'ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny, ary ho sarobidy eo imasony ny ran'izy ireny.

15 Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena avy any SabĂ  ho azy; hanao voady ho azy mandrakariva, ary hisaotra azy isan'andro.

17 Aoka haharitra mandrakizay ny anarany! Aoka hiely laza ny anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan'ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso azy hoe: Sambatra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0516