Ny Salamo

Salamo toko 74
Aoka hangoraka ny vahoakany sy ny tempoliny, Andriamanitra.

       1 Fihirana nataon'i Asafa.

Ry Andriamanitra ô, nahoana no dia nanary anay mandrakizay hianao?
sy mirehitra amin'ny ondry ao amin'ny tanim-bilonao ny hatezeranao?
       2 Tsarovy ny vahoakanao izay azonao tamin'ny andro fahataloha,
navotanao ho foko lovanao!
Tsarovy ny tendrombohitra Siona nataonao fonenanao.
       3 Ny dianao tariho ho eo amin'ireo korontan-javatra tsy azo amboarina;
simban'ny fahavalo avokoa izay teo amin'ny fitoerana masina.
       4 Nanerona teo amin'ny kianjanao masina, ny mpanohitra anao;
nanangana ny fanevany ho faneva izy.
       5 Ny fijery azy, toy ny mpikapa hazo,
manainga famaky ao amin'ny ala mikitroka!
       6 Ary ankehitriny, ny rafitra misokitra rehetra,
dia nomontsaniny avokoa nasiany ny famaky sy ny kanonta.
       7 Nodorany tamin'ny afo ny fitoeranao masina,
nazerany sy notevatevainy ny fonenan'ny anaranao.
       8 Hoy izy anakampony: Ravaontsika avokoa izy ireo!
Nodorany daholo ny fitoerana masina amin'ny tany.
       9 Ny famantaranay, tsy hitanay intsony!
ny mpaminany, tsy misy intsony;
ary tsy misy aminay mahalala mandra-pahoviana no...
       10 Mandra-pahoviana, ry Andriamanitra, no haniratsiran'ny mpampahory,
sy hanevatevan'ny fahavalo tsy an-kijanona ny anaranao?
       11 Nahoana no avonkinao ny tànanao, ny tànanao ankavanana?
Avoahy avy ao an-tratranao izy, dia aringano ireny!
       12 Andriamanitra anefa no mpanjakako, hatry ny fahataloha;
izy izay efa nanao famonjena betsaka tety ambonin'ny tany.
       13 Hianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao,
nanorotoro ny lohan'ireo biby goavam-be tao anaty rano.
       14 Hianao no namakivaky ny lohan'i Leviatana
dia nanome azy hohanin'ny vahoaka any an'efitra.
       15 Hianao no nampiboiboika ny loharano aman-dranon-driaka,
hianao no nahatankina ny ony tsy mety ritra.
       16 Anao ny andro, anao ny alina;
hianao no nahary ny masoandro amam-bolana.
       17 Hianao no nametra ny faritra rehetra amin'ny tany;
hianao no nanorina ny ririnina amam-pahavaratra.
       18 Tsarovy fa maniratsira an'Iaveh ny fahavalo;
miteny ratsy ny anaranao ny vahoaka adala!
       19 Aza atolotra ny biby, ny ain'ny domohinanao,
aza hadinoina mandrakizay ny ain'ny olo-mahantranao.
       20 Hevero tsara ny fanekenao! fa izao zoron-tany rehetra izao
feno fandrian-dompy avokoa.
       21 Aoka tsy hiverina amin-kenatra, ny tra-pahoriana!
aoka ho afaka hidera ny anaranao, ny ory sy mahantra!
       22 Mitsangàna hianao, ry Andriamanitra, iandraiketo ny adinao;
tsarovy ny faniratsiran'ny adala anao isan'andro.
       23 Aza hadinoina ny akoralavan'ny mpandrafy anao;
ny reharehan'ireo mankahala anao mitombo mandrakariva!