Ny Salamo
Salamo toko 76
Hira fisaorana, rehefa avy nandresy.
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Ampiarahina amin'ny zava-maneno tendrena. Salamon'i Asafa. Fihirana.
2 Nilaza tena teo amin'i Jodà Andriamanitra,
malaza eo amin'Israely ny anarany.
3 Ao Salema ny tabernaklany,
ary ao Siona ny fonenany.
4 Teo izy no nanapatapaka ny tsipìka manelatra,
ny ampinga, ny sabatra, ary ny ady. - Selà.
5 Mamirapiratra hianao, eo amin'ny fiandriananao,
eo an-tendrombohitra iantorahanao amin'ny rembinao.
6 Voababo ireo malaza be herim-po;
renoky ny torimasony izy ireo,
tsy nahay nampiasa ny tanany ireo olo-mahery.
7 Vao nanambana hianao, ry Andriamanitr'i Jakoba,
dia nitsatoka tsy nahahetsika ny kalesy aman-tsoavaly.
8 Eny, mahatahotra hianao!
Iza no mahajanona eo anatrehanao, raha mipoaka ny hatezeranao!
9 Namoaka didim-pitsarana avy any an-tampon'ny lanitra hianao;
nihorohoro sy nangina ny tany,
10 nony nitsangana hitsara Andriamanitra;
sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin'ny tany. - Selà.
11 Ka dia hody voninahitra ny fisafoaky ny olombelona,
sy ny sisam-pahatezerany.
12 Manaova voady hianareo, ka efao amin'Iaveh Andriamanitra izany,
aoka hitondra fanatitra ho an'Andriamanitra mahatahotra, izay rehetra manodidina azy.
13 Manongana ny reharehan'ny manam-pahefana izy,
ary mahatahotra ny mpanjakan'ny tany.