Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 78, 1-2.34-35.36-37.38.
Filazana ny hatsaram-pon'Andriamanitra tamin'Israely araka ny tantarany - Ny tsy fahaiza-mankasitraka nasehon'ny vahoaka voafidy.

       1Fihirana nataon'i Asafa.

Henoy ny fampianarako, ry vahoakako,
atongilano amin'ny tenin'ny vavako, ny sofinao.
       2Hiloa-bava hilaza oha-teny aho,
hamoaka ny zava-miafina tamin'ny fahataloha aho.
       34Nony nasiany tamin'ny fahafatesana izy ireo vao nitady azy,
niverina izy ka dodona hahita an'Andriamanitra indray;
       35nahatsiaro fa Andriamanitra no vatolampiny,
ary ny Avo indrindra no mpanavotra azy.
       36Kanjo namitaka azy tamin'ny teniny izy ireo,
ary nandainga taminy ny lelany;
       37fa ny fony tsy mba niorina taminy;
izy ireo tsy nitandrina ny fanekeny.
       38Mamindra fo anefa izy;
mamela ny fahotana ary tsy mandringana;
nanindry ny hatezerany matetika,
ary tsy nanarana ny fahavinirany rehetra. >