Ny Salamo
Toko faha-78
3 Izay efa renay sy nianaranay, izay efa nambaran'ny razantsika taminay,4 dia tsy mba afeninay amin'ny zanany. Fa holazainay amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'ny Tompo, mbamin'ny heriny amam-pahagagana nataony.
6 mba ho fantatry ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka sy hiposaka, ka hotantarain'izy ireo indray izany, amin'izay zanany.
7 Amin'izany dia hametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra izy, tsy hohadinoiny ny asan'Andriamanitra, sy hotandremany ny didiny;
8 dia tsy hanahaka ny razany izay taranaka maditra sy miodina, taranaka manana fo mivadibadika, sy fanahy tsy miraikitra amin'Andriamanitra.