Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 78, 3,4,6-7,8,

       <3Izay efa renay sy nianaranay,
izay efa nambaran'ny razantsika taminay,
       4dia tsy mba afeninay amin'ny zanany.
Fa holazainay amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'ny Tompo,
mbamin'ny heriny amam-pahagagana nataony.
       6mba ho fantatry ny taranaka ho avy,
dia ny zaza mbola hateraka sy hiposaka,
ka hotantarain'izy ireo indray izany, amin'izay zanany.
       7Amin'izany dia hametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra izy,
tsy hohadinoiny ny asan'Andriamanitra,
sy hotandremany ny didiny;
       8dia tsy hanahaka ny razany
izay taranaka maditra sy miodina,
taranaka manana fo mivadibadika,
sy fanahy tsy miraikitra amin'Andriamanitra. >