Ny Salamo

Toko faha-79

1 Salamon'i Asafa. Ry Andriamanitra ô, ibosesehan'ny firenena ny lovanao, ka ny tempolinao masina nolotoiny; Jerosalema nataony ho korontam-bato;

2 Ny fatin'ny mpanomponao, natolony hohanin'ny voromanidina, ary ny nofon'ny mpino anao ho an'ny bibin'ny tany.

3 Nataony nandriaka, hoatra ny rano, ny rany, manodidina an'i Jerosalema, sady tsy nisy olona handevina azy ireo akory!

4 Tonga fandatsan'ny mpifanakaiky aminay izahay, sady fihomehy amam-paneson'ny manodidina anay.

5 Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo hianao, sy hirehetan'ny hatezeranao hoatra ny afo?

6 Amparo amin'ny firenena tsy mahalala anao ny hatezeranao, sy amin'ny fanjakana tsy miantso ny anaranao.

7 Fa ireny no efa nandany an'i Jakoba, sy nandrava ny fonenany.

8 Aza dia tsarovana aminay ny heloky ny razanay, ary aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantranao, fa mihoa-pampana ny fahorianay.

9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay, noho ny voninahitry ny anaranao, afaho izahay, ary avelao ny helokay, noho ny anaranao.

10 Nahoana ny firenena no dia hilaza hoe: Aiza izay Andriamanitr'izy ireo? aoka ho fantatra eo amin'ny firenena sy ho hitanay maso, ny valim-bonoana hamalianao ny fandatsahana ny ran'ny mpanomponao.

11 Aoka hiakatra hatrany aminao ny fitarainan'ny voababo, vonjeo araka ny herin-tsandrinao ireo efa mila ho faty.

12 Azerao impito eo an-tratran'ireo mifanila toerana aminay, ny fanaratsiana nafitsony anao, Tompo ô!

13 Ary izahay, vahoakanao, sy ondry amin'ny tanim-bilonao kosa, dia hanome voninahitra anao mandrakizay; hitory ny fiderana anao amin'ny taona mifandimby.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2204