Ny Salamo
Salamo toko 79
Andriamanitra anie hamindra fo amin'ny tempoliny masina.
1 Salamon'i Asafa.
Ry Andriamanitra ô, ibosesehan'ny firenena ny lovanao,
ka ny tempolinao masina nolotoiny;
Jerosalema nataony ho korontam-bato;
2 Ny fatin'ny mpanomponao, natolony hohanin'ny voromanidina,
ary ny nofon'ny mpino anao ho an'ny bibin'ny tany.
3 Nataony nandriaka, hoatra ny rano, ny rany,
manodidina an'i Jerosalema,
sady tsy nisy olona handevina azy ireo akory!
4 Tonga fandatsan'ny mpifanakaiky aminay izahay,
sady fihomehy amam-paneson'ny manodidina anay.
5 Mandra-pahoviana, ry Iaveh, no hisafoaka hanontolo fo hianao,
sy hirehetan'ny hatezeranao hoatra ny afo?
6 Amparo amin'ny firenena tsy mahalala anao ny hatezeranao,
sy amin'ny fanjakana tsy miantso ny anaranao.
7 Fa ireny no efa nandany an'i Jakoba,
sy nandrava ny fonenany.
8 Aza dia tsarovana aminay ny heloky ny razanay,
ary aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantranao,
fa mihoa-pampana ny fahorianay.
9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay, noho ny voninahitry ny anaranao,
afaho izahay, ary avelao ny helokay, noho ny anaranao.
10 Nahoana ny firenena no dia hilaza hoe: Aiza izay Andriamanitr'izy ireo?
aoka ho fantatra eo amin'ny firenena sy ho hitanay maso,
ny valim-bonoana hamalianao ny fandatsahana ny ran'ny mpanomponao.
11 Aoka hiakatra hatrany aminao ny fitarainan'ny voababo,
vonjeo araka ny herin-tsandrinao ireo efa mila ho faty.
12 Azerao impito eo an-tratran'ireo mifanila toerana aminay,
ny fanaratsiana nafitsony anao, Tompo ô!
13 Ary izahay, vahoakanao, sy ondry amin'ny tanim-bilonao kosa,
dia hanome voninahitra anao mandrakizay;
hitory ny fiderana anao amin'ny taona mifandimby.