Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 7, 2-3,9bc-10,11-12,

       <2Iaveh Andriamanitro ô, hianao no itokiako;
vonjeo amin'izay rehetra manenjika ahy aho, ka afaho;
       3fandrao aho dia viravirainy toy ny fanaon'ny liona,
fandrao harapany ny rembiny, tsy misy hanafaka.
       9Iaveh no mitsara ny firenena:
tsarao aho, ry Iaveh,
araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.
       10Farano ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy,
ary hamafiso kosa ny marina, hianao izay mamantatra ny fo sy ny kibo, ry Andriamanitra marina ô!
       11Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra,
izay mamonjy ny olona mahitsy fo.
       12Mpitsara marina Andriamanitra;
mampandre ny fandrahonany isan'andro ny Tsitoha. >