Ny Salamo

Salamo toko 8
Voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny asany.

       1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Gitiena. Tonon-kiran'i Davida.
       2 Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny anaranao, amin'ny tany rehetra!
Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
       3 Amin'ny vavan'ny ankizy sy ny mbola minono,
no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao,
sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.
       4 Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tànanao,
mbamin'ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
       5 Inona ny olombelona no mba tsarovanao?
ary ny zanak'olombelona no mba karakarainao?
       6 Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy,
nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy.
       7 Nampanjakainao amin'ny asan-tànanao izy,
napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:
       8 omby aman'ondry tsy ankanavaka,
mbamin'ny biby any an-tsaha;
       9 voro-manidina aman-kazan-dranomasina,
mbamin'izay mitety ny làlan-dranomasina.
       10 Ry Iaveh, Tomponay,
mba be voninahitra re ny anaranao amin'ny tany rehetra!