Ny Salamo
Toko faha-8
2 Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny anaranao, amin'ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!3 Amin'ny vavan'ny ankizy sy ny mbola minono, no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva.
4 Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tànanao, mbamin'ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
5 Inona ny olombelona no mba tsarovanao? ary ny zanak'olombelona no mba karakarainao?
6 Nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, nosatrohanao voninahitra amam-piandrianana izy.
7 Nampanjakainao amin'ny asan-tànanao izy, napetrakao eo ambany tongony ny zavatra rehetra: