Ny Salamo

Toko faha-80

9 Misy voaloboka nongotanao tany Ejipta; nandroaka ny firenena hianao, hambolenao azy.

12 nisandrahaka hatrany amin'ny Ranomasina ny rantsany, ary hatrany amin'ny Ony ny sakeliny.

13 Nahoana no dia noravanao ny fefiny, ka izay mandalo rehetra, manimba azy avokoa?

14 Ny lambo avy any an'ala mandrapaka azy; ary ny biby any an-tsaha manao azy ho fihinany.

15 Ry Andriamanitry ny tafika, miverena, mitsinjova eny an-danitra, ary jereo, ka diniho ity voaloboka!

16 Arovy izay nambolen'ny tànanao ankavanana, sy ny zanaka izay nofidinao ho anao!...

19 Dia tsy hanohitra anao intsony izahay; velomy indray izahay, dia hiantso ny anaranao.

20 Ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika, ampodio amin'ny toetranay taloha izahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0446