Ny Salamo

Toko faha-81

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Gitiana. Nataon'i Asafa.

2 Ataovy hira fifaliana ho fankalazana an'Andriamanitra herintsika. Manaova hobim-pifaliana ho fankalazana an'Andriamanitr'i Jakoba!

3 Miventesa hira arahim-peon'ny ampongatapaka, sy harpa mireondreona mbamin'ny valiha.

4 Tsofy ny anjomara amin'ny tsinam-bolana, amin'ny andro fenomanana, amin'ny andro fetintsika.

5 Fa didy ho an'Israely izany; fitsipika avy amin'Andriamanitr'i Jakoba.

6 Nataony lalàna ho an'i Josefa fony izy nandeha namely ny tany Ejipta. Mandre feo tsy fantatra aho:

7 Nanala entana ny sorony aho, dia nitsahatra tsy nitondra sobika, ny tànany.

8 Niantso tao anatin'ny fahoriana hianao dia novonjeko, namaly anao tao anatin'ny rahona mitondra ranonoram-baratra aho, nizaha toetra anao, tao amin'ny ranon'i Meribà aho. - Selà.

9 Mihainoa, ry vahoakako, fa misy fananarana hataoko anao; enga ka hihaino ahy hianao, ry Israely.

10 Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny vahoaka hafa.

11 Izaho, Iaveh, Andriamanitrao, no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta. Sokafy ny vavanao dia hofenoiko.

12 Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nankatò ahy Israely.

13 Ka navelako izy hanaraka ny ditran'ny fony dia nanaraka izay saim-pantany izy.

14 Eh! raha mba mihaino ny feoko ny vahoakako, raha mba mandeha amin'ny làlako Israely!...

15 Dia hokorokoroiko vetivety foana ny fahavalony, hafotitro hamely ny mpampahory azy ny tanako.

16 Hidera azy ry zareo mankahala an'ny Tompo, ary ho azo antoka mandrakizay, ny faharetan'Israely.

17 Vary tsara indrindra no hamelomako azy, ary tantely avy amin'ny vatolampy no hamokisako azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0909