Ny Salamo
Toko faha-81
10 Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin'ny andriamanitry ny vahoaka hafa.11 Izaho, Iaveh, Andriamanitrao, no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta. Sokafy ny vavanao dia hofenoiko.
12 Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nankatò ahy Israely.
13 Ka navelako izy hanaraka ny ditran'ny fony dia nanaraka izay saim-pantany izy.
14 Eh! raha mba mihaino ny feoko ny vahoakako, raha mba mandeha amin'ny lĂ lako Israely!...
15 Dia hokorokoroiko vetivety foana ny fahavalony, hafotitro hamely ny mpampahory azy ny tanako.