Ny Salamo

Salamo toko 82
Ny mpitsara tsy marina - Ny sazin'izy ireo.

       1 Fihirana nataon'i Asafa.
Eo amin'ny fiangonan'ny Tsitoha. Andriamanitra;
namoaka ny teniny eo afovoan'ireo andriamanitra izy:
       2 Mandra-pahoviana no hanaovanareo fitsarana tsy marina? - Selà .
       3 Omeo ny rariny ny mahantra sy ny kamboty,
omeo ny hitsiny ny ory sy ny malahelo.
       4 Vonjeo ny fadiranovana sy ny tsy manana,
afaho amin'ny tànan'ny ratsy fanahy izy.
       5 Tsy manam-pahaizana na hazavan-tsaina ireny,
fa mandeha amin'ny maizina;
mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra.
       6 Hoy aho: andriamanitra hianareo,
zanaky ny Avo indrindra avokoa hianareo.
       7 Kanefa ho faty tahaka ny olona ihany hianareo;
ho lavo tahaka izay andriandahy na iza na iza.
       8 Mitsangàna, ry Andriamanitra ô, tsarao ny tany,
fa anao ny firenena rehetra.