Ny Salamo

Toko faha-83

1 Fihirana. Salamon'i Asafa.

2 Ry Andriamanitra 6ocirc;, aza dia mijanom-potsiny; aza mangina na mitsahatra, ry Andriamanitra!

3 Fa indreo mikofokofoka amim-pitabatabana ny fahavalonao, misolanandrana ery izay mankahala anao.

4 Mamoron-tsaina hamandrihana ny vahoakanao izy, miara-mioko hamely ny olona arovanao.

5 Andao, hoy izy, hofongorantsika eo amin'ny firenena izy ireo, ka aoka tsy hotononina intsony ny anarana hoe Israely.

6 Miray fo avokoa izy rehetra mioko, manao fanekena hanohitra anao izy,

7 dia ny lain'i Edoma sy ny Ismaelita, Moaba sy ny Agareniana,

8 Gebala, Amona ary Amaleka, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tira;

9 Asora koa mikambana amin'izy ireo, ka manampy ny taranak'i Lota. - Selà.

10 Ataovy tahaka an'i Madiana ireo, tahaka an'i Sisara, mbamin'i Jabina teo amin'ny ranon'i Sisona.

11 Ripaka tao Andora izy, ka tonga zeziky ny tany.

12 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny lehiben'izy ireo, ary tahaka an'i Zebea sy Salmana ny andriandahy rehetra aminy.

13 Fa hoy izy: Aoka halaintsika ho antsika, ireo fonenan'Andriamanitra!

14 Ry Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, tahaka ny mololo entin'ny rivotra!

15 Tahaka ny afo mandevona ny ala, tahaka ny lelafo mampirehitra ny tendrombohitra;

16 tahaka izany no anenjeho azy amin'ny tadionao; ampitahory azy amin'ny tafio-drivotrao.

17 Safory henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, ry Iaveh!

18 Aoka izy ho menatra sy ho raiki-tahotra mandrakizay, sy hangaihay ary ho azon'ny fandringanana.

19 Aoka ho fantany fa hianao - dia Iaveh no anaranao, - hianao ihany no ilay Avo indrindra ambonin'ny tany rehetra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815