Ny Salamo
Salamo toko 84
Hiran'ny mpivahiny: Mahate-ho tia loatra ny tabernaklao, ry Andriamanitra!
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Amin'ny Gitiena. Salamon'ny zanak'i Kore.
2 Mahate-hotia loatra ny fonenanao,
Ry Iavehn'ny tafika!
3 Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan'Iaveh;
mientana ho amin'Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.
4 Ny fody aza mahita fonenana,
ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany;
ny otelinao, ry Iavehn'ny tafika,
ry mpanjakako sy Andriamanitro!
5 Sambatra izay monina ao an-tranonao!
Mbola mahazo midera anao izy ireo! - Selà.
6 Sambatra izay olona manana ny heriny ao aminao;
tsy mihevitra afa-tsy ny fiakarana masina izy.
7 Raha mamaky ny lohasahan-dranomaso izy,
ovany ho fitoerana feno loharano izany,
ary ny ranonoram-pararano mandrotsaka fanambinana aminy.
8 Mitombo hery eny am-pandehanana izy,
ary miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Siona;
9 Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô, hoy izy, henoy ny fivavahako,
mandrenesa, ry Andriamanitr'i Jakoba! - Selà.
10 Hianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo,
ka tsinjovy ny tavan'ilay Voahosotrao!
11 Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo;
aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran'ny tranon'ny Andriamanitro,
toy izay monina ao an-dain'ny ratsy fanahy.
12 Fa masoandro aman'ampinga, Iaveh Andriamanitra;
manome fahasoavana amam-boninahitra Iaveh,
tsy misy zava-tsoa tsy omeny an'izay mandeha amin'ny tsy fananan-tsiny.
13 Ry Iavehn'ny tafika,
sambatra izay olona mitoky aminao!