Ny Salamo
Toko faha-84
3 Trotraka ny fanahiko misento, manina ny kianjan'ny Tompo; mientana ho amin'Andriamanitra velona, ny foko sy ny nofoko.4 Ny fody aza mahita fonenana, ny sindintsidina koa mahita akany hametrahany ny zanany; ny otelinao, ry Iavehn'ny tafika, ry mpanjakako sy Andriamanitro!
5 Sambatra izay monina ao an-tranonao! Mbola mahazo midera anao izy ireo! - SelĂ .
10 Hianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan'ilay Voahosotrao!
11 Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran'ny tranon'ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain'ny ratsy fanahy.
