Ny Salamo

Toko faha-85

1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'ny zanak'i Kore.

2 Ry Iaveh ô, efa nanambina ny taninao hianao, nampody ireo voababo teo amin'i Jakoba;

3 namela ny heloky ny vahoakanao, nanarona ny fahotany rehetra; - Selà.

4 najanonao ny hatezeranao rehetra, nalanao ny hatezeranao mirehitra.

5 Ampodio indray amin'ny toetranay taloha izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô; atsaharo ny hatezeranao aminay.

6 Dia ho tezitra mandrakizay aminay va hianao? dia hampaharetanao mandrakizay va ny haviniranao?

7 Tsy hovelominao indray va izahay, mba hifalian'ny vahoakanao aminao?

8 Ry Iaveh, asehoy anay ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjenao.

9 Te-hihaino izay holazain'ny Tompo Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an'ny vahoakany sy ny mpino azy izy, raha tahiny tsy miverina amin'ny fahadalany indray izy ireo. -

10 Eny, akaiky an'izay matahotra azy ny famonjeny, ary hitoetra amin'ny tanintsika indray ny voninahitra.

11 Efa hihaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana, hifandray tànana ny rariny sy ny fihavanana.

12 Hitsimoka amin'ny tany, ny fahamarinana, ary hitsinjo ny rariny any ambonin'ny lanitra.

13 Tenan'ny Tompo no hanome ny soa rehetra ka hahavokatra ny vokany ny tanintsika.

14 Handeha eo alohany ny rariny, sy hanoritra làlana hodiaviny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1182