Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 85, 9ab-10.11-12.13-14.

       <9Te-hihaino izay holazain'ny Tompo Andriamanitra aho,
- fa manana teny fiadanana ho an'ny vahoakany sy ny mpino azy izy,
raha tahiny tsy miverina amin'ny fahadalany indray izy ireo. -
       10Eny, akaiky an'izay matahotra azy ny famonjeny,
ary hitoetra amin'ny tanintsika indray ny voninahitra.
       11Efa hihaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana,
hifandray tànana ny rariny sy ny fihavanana.
       12Hitsimoka amin'ny tany, ny fahamarinana,
ary hitsinjo ny rariny any ambonin'ny lanitra.
       13Tenan'ny Tompo no hanome ny soa rehetra
ka hahavokatra ny vokany ny tanintsika.
       14Handeha eo alohany ny rariny,
sy hanoritra làlana hodiaviny. >