Ny Salamo
Toko faha-85
9 Te-hihaino izay holazain'ny Tompo Andriamanitra aho, - fa manana teny fiadanana ho an'ny vahoakany sy ny mpino azy izy, raha tahiny tsy miverina amin'ny fahadalany indray izy ireo. -10 Eny, akaiky an'izay matahotra azy ny famonjeny, ary hitoetra amin'ny tanintsika indray ny voninahitra.
11 Efa hihaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana, hifandray tànana ny rariny sy ny fihavanana.
12 Hitsimoka amin'ny tany, ny fahamarinana, ary hitsinjo ny rariny any ambonin'ny lanitra.
13 Tenan'ny Tompo no hanome ny soa rehetra ka hahavokatra ny vokany ny tanintsika.
14 Handeha eo alohany ny rariny, sy hanoritra làlana hodiaviny.