Ny Salamo

Salamo toko 86. 1-2,3-4,5-6,
Ry Andriamanitra Avo Indrindra ô, avia hamonjy ny mpanomponao - Hianao anie no hitari-dàlana azy, sy hanafaka azy amin'ny fahavalony.

       1 Vavak'i Davida.

Mandrenesa, ry Iaveh, ekeo vavaka aho,
fa ory sy mahantra aho.
       2 Arovy ny fanahiko, fa tia vavaka aho,
vonjeo ny mpanomponao, ry Andriamanitra ô;
fa hianao no ametrahany ny fitokiany!
       3 Mamindra fo amiko, Tompo ô,
fa mitaraina aminao, manontolo andro, aho!
       4 Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao,
fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.
       5 Satria tsara fo sy miantra hianao, Tompo,
ary feno indrafo ho an'izay rehetra miantso anao.
       6 Ry Iaveh, atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako,
henoy tsara ny feon'ny fitarainako.