Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 86, 3-4,5-6,9-10,

       <3Mamindra fo amiko, Tompo ô,
fa mitaraina aminao, manontolo andro, aho!
       4Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao,
fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.
       5Satria tsara fo sy miantra hianao, Tompo,
ary feno indrafo ho an'izay rehetra miantso anao.
       6Ry Iaveh, atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako,
henoy tsara ny feon'ny fitarainako.
       9Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo,
ka hanome voninahitra ny anaranao.
       10Fa lehibe sy mahavita fahagagana hianao,
hianao irery no Andriamanitra. >