Ny Salamo
Toko faha-86
5 Satria tsara fo sy miantra hianao, Tompo, ary feno indrafo ho an'izay rehetra miantso anao.6 Ry Iaveh, atongilano ny sofinao amin'ny fivavahako, henoy tsara ny feon'ny fitarainako.
9 Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny anaranao.
10 Fa lehibe sy mahavita fahagagana hianao, hianao irery no Andriamanitra.
15 Fa hianao kosa, Tompo รด, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
16 Mitodiha aty amiko, ka amindrao fo aho; omeo ny herinao ny mpanomponao; ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.