Ny Salamo

Salamo toko 87
Siona foiben-toeran'ny vahoaka amin'ny ho avy.

       1 Salamon'ny zanak'i Kore. Fihirana.
Nanorina azy teo an-tendrombohitra masina izy.
       2 Ny vavahadin'i Siona dia tian'Iaveh,
mihoatra noho ny fonenan'i Jakoba rehetra.
       3 Zava-malaza maro no voatantara momba anao
ry tanànan'Andriamanitra. - Selà.
       4 Amin'ireo mahalala ahy hotononiko Rahaba sy Babilona;
indreo koa ny Filistina sy Tira mbamin'i Etiopia:
tao ireo no teraka.
       5 Ary izao no hilazan'ny olona an'i Siona: Samy teraka tao aminy itý sy irý:
dia izy, ny Avo Indrindra, no nanorina azy.
       6 Izao no hosoratan'Iaveh amin'ny fanisam-bahoaka:
Teraka tao ity. -Selà.
       7 Ny mpihira sy mpitendry zava-maneno, hanao hoe:
Ao aminao ny loharanoko rehetra.