Ny Salamo
Toko faha-89
2 Te-hihira mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo aho: hanambara ny fahamarinanao amin'ny taranaka rehetra, ny vavako.3 Fa hoy aho: Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay; naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.
16 Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana, sy mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!
17 Mifaly mandrakariva amin'ny anaranao izy; ary misandratra amin'ny fahamarinanao.
18 Fa hianao no voninahiny amam-pahefany, ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay.
19 Satria avy amin'ny Tompo ny ampinganay; ary avy amin'ilay Masin'Israely ny mpanjakanay.
