Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Ny Salamo

Salamo toko 89, 2-3.21-22.25.27

       <2Te-hihira mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo aho:
hanambara ny fahamarinanao amin'ny taranaka rehetra, ny vavako.
       3Fa hoy aho: Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay;
naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.
       21nahita an'i Davida mpanompoko;
nanosotra azy tamin'ny diloilo masina.
       22Homba azy lalandava ny tanako;
ary hankahery azy ny sandriko.
       25Homba azy ny fahamarinako aman-katsaram-poko;
ary ny anarako no hitomboan'ny heriny.
       27Izy hiantso ahy hoe: Hianao no raiko,
sy Andriamanitro ary vatolampy famonjena ahy. >