Ny Salamo

Toko faha-89

4 Efa nanao fanekena tamin'ilay nofidiko aho; fianianana efa nataoko tamin'i Davida mpanompoko,

5 fa ta-hampiorina mafy mandrakizay ny taranakao aho, sy hanamafy ny seza fiandriananao, hatramin'ny taranaka rehetra. - Selà.

29 Hitahiry ny hatsaram-poko aminy mandrakizay aho; ary ny fanekeko aminy tsy hivadihana.

30 Hampitoeriko haharitra mandrakizay ny taranany; ary ny seza fiandrianany haharitra toy ny andron'ny lanitra.

31 Raha mahafoy ny lalàko ny taranany, ka tsy mandeha araka ny fitsipiko;

32 raha mandika ny teniko izy, ka tsy mitandrina ny didiko,

33 dia hosaziko amin'ny tsora-kazo ny fahadisoany, ary amin'ny kapoka ny helony;

34 fa tsy hesoriko aminy ny hatsaram-poko ary tsy hampandainga ny toky nomeko azy aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0504