Ny Salamo

Salamo toko 89. 2-3,16-19

       2 Te-hihira mandrakizay ny hatsaram-pon'Iaveh aho:
hanambara ny fahamarinanao amin'ny taranaka rehetra, ny vavako.
       3 Fa hoy aho: Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay;
naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.
       16 Sambatra ny vahoaka mahalala ny hobin-kafaliana,
sy mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao, ry Iaveh!
       17 Mifaly mandrakariva amin'ny anaranao izy;
ary misandratra amin'ny fahamarinanao.
       18 Fa hianao no voninahiny amam-pahefany,
ary ny fanambinanao manondrotra ny herinay.
       19 Satria avy amin'Iaveh ny ampinganay;
ary avy amin'ilay Masin'Israely ny mpanjakanay.