Ny Salamo

Toko faha-89

2 Te-hihira mandrakizay ny hatsaram-pon'ny Tompo aho: hanambara ny fahamarinanao amin'ny taranaka rehetra, ny vavako.

3 Fa hoy aho: Ny hatsaram-po no tranobe soa mandrakizay; naorinao any an-danitra ny fahamarinanao.

21 nahita an'i Davida mpanompoko; nanosotra azy tamin'ny diloilo masina.

22 Homba azy lalandava ny tanako; ary hankahery azy ny sandriko.

25 Homba azy ny fahamarinako aman-katsaram-poko; ary ny anarako no hitomboan'ny heriny.

27 Izy hiantso ahy hoe: Hianao no raiko, sy Andriamanitro ary vatolampy famonjena ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1051